Salama
Fijery hafa
-Tsiranana: tsak tsak zato arivo, nifarana tamin'ny fitsarana azy tany @ tribonaly (affaire Ratsimandrava ??), fa tsy fantatro ny niafarany.
- Ratsiraka "tirer dans les jambes" Nahazo amnesty- satria narovan'ny frantsay- hatramin'izao.
- Zafy: Nendahin'ny antenimiera, be loatra ireo mpijapy niaraka taminy, resaka fitadiavam-bola hors circuit
- Ravalomanana. nenjehina fa manakana ny intérêts frantsay. Nohendrikendrehina ho namono t@ 7 fev. Tsy mila amnesty avy amin'ny jiolahy mpanongampanjakana.
- Andry Rajoelina: collabo-ny frantsafrika, raha tsy vonoin'ny frantsay dia hampandosirany aty Frantsa, toy ry Ratsiraka & Co, tsy hisy resaka amnesty.
Fa izao no zava-nisy tsy lazaina:
Ny tanjon'i Ravalomanana dia ny hanala an'i Madagasikara teo amin'ny ziogan'ny neo colonialisme frantsay.
Ny tanjon'i TGV dia hamaly faty and'Ravalomanana, mampiasa ny frantsay amin'izany, vonona anapotika an'i Madagasikara.
Koa tsy hataoko ao anaty iray harona ireo.
Ravalomanana, raha tsy nisy jiolahy nanongana dia mbola Filohan'i Madagasikara, ary mety ho lasa lavitra Madagasikara.
Rajoelina raha nisy fahamarinana marina dia efa tokony any Nosy Lava.
Efa hatramin'ny 2002 no nitady hevitra hanonganana an'i Ravalomanana ny frantsay, ny club 48, sy ny karana.
Vao tonga teo amin'ny fitondrana dia nangataka ny club de 48 sy ny mpanana Ravalomanana mba hamelona ny vahoaka mahantra amin'ny fanorenana entreprises sy commerces malagasy, fa izy hikarakara ny infrastructures ny Madagasikara (làlana, dispensaires, ets) Nohon'ny fialonana ilay laitier tsy mambra akory ao @ club 48, dia tsy nety iretsy fa ny hiaraka amin'ny karana sy vazaha hitsetsitra ny malagasy toy ny fanaony ihany no tanjony fa tsy ny hanondrotra ny malagasy;
Hataoko tonga ohatr'ireo mahantra ireo ianareo hoy ny president rehefa tsy hikarakara ny vahoaka, ary ho ataoko fa vitako rehefa tsy hanao ianareo. Dia namorona ny MAGRO, sy ny orin'asa isan-karazany Ravalomanana ary ireo mpanana sy ny namany tokony nanao fa tsy nety nanampy ny mpitondra, dia tsy nahazo marchés fa noraisiny daholo, dia izany no nanenjehina azy nilazana hoe "nanao ampihimamba" ny afera rehetra teto Madagasikara, nitarin'ireo mpakahala izany nitadiavana na namoronana "fautes" hankahalain'ny vahoaka azy, nanitarana ny fautes izay tsy maintsy misy teo amin'ny fitondrana, indrindra ireo nataon'ny TIM, raha ny marina dia ireo AREMA nivadika TIM. Fa ny akabeazan'ny vahoaka, indrindra ireo tantsaha any ambanivohitra dia nahita soa nohon'ny làlana, dispensaires, securités, fihatsarahan'ny toe-tsaina, koa tsy nandaitra ilay "dénigrements",
Rehefa hitan'ny frantsay, ny karana sy ny mpanana gasy izany, dia ny ampiasa hery no tetika, ny hamono an'i Ravalomanana no tanjona toy ny nanaovana andr'i Sylvanus Olympio, Thomas Sankara sy ny namany.Soa fa afaka nitsoaka Ravalomanana, nasiana nitsoaka no marimarina kokoa fa saiky tsy nety nandeha, dia izao hitantsika izao ny tohiny. Izany no zavatra nisy.
Hita izao no tena mpanao ampihimamba, ny mpivarotra tanindrazana ary ny mpitolona ho an'ny tanindrazana marina.
Raha nisy "hadisoand'Ravalomanana" dia ny tsy niraharahiany loatra ny "amitié" fa ny "efficacité" contraire-ny an'i Ratsiraka. Hita izao ny vokany.
Rary
----- Original Message -----
Sent: Friday, January 27, 2012 7:15 PM
Subject: [serasera] Resaka Amnesty???
Mandeha ity resaka amnesty ity dia lasa ny saiko:
Tsiranana: Tsak tsak zato arivo (Toa tsy nisy fanarahana)
Ratsiraka: "Tirer dans les jambes" (Iavoloha 1991) (Nahazo amnesty)
Zafy: Nendahin'ny antenimiera t@ resaka volamena
Ravalomanana: Jerevo ny youtube 7 Febroary rehetra rehetra
Andry Rajoelina: Jerevo ny youtube (Capsat sy FIS ary Gendarme sy ny Coup d'Etat anakianan'izao tontolo izao azy)
Ka iza no tena mila Amnesty izany ao Madagasikara? Ho tonga amin'ny fandaminana ve i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina?
Raha asiana ny fitsarana TSY MIANGATRA, dia ho samy tsy afaka milatsaka hofidiana i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana fa aleo olona tsy nisy fifandraisana t@ ireo mihitsy no mitantana ny tetezamita hidirana @ fifidianana manaraka. Tsy mety izany fitondrana tetezamita nentin'olona nanao COUP D'ETAT izany fa baikobaikon'ny miaramila loatra ka manjary mandringa ny rafitra mampivelatra ny fandraisan'anjaran'ny isam-batan'olona amin'ny raharahampirenena na antsoina hoe DEMOCRACY.
Atao mazava tsara ny resaka fa: na mahazo mody i Marc Ravalomanana dia asiana ny fifidianana tsy miangatra, na rehefa tsy mahazo mody izy dia tsy mahazo milatsaka ihany koa i Andry Rajoelina satria ireo roa ireo no tompon'ANTOKA amin'ny kizo 3 taona izao. Tsy efa niteny koa moa ve i Andry hoe tsy hilatsaka?
Mila mifandamina any @ fitsarana tsy miangatra i Marc sy Andry raha tsy vitany ny manao "settlement" ny raharaha ety ivelan'ny fitsarana.
Ohatran'ny lasa resak'olona 2 sisa ny raharaha ka ny 99.999% amin'ilay firenena indray no lasa mihafihafy maka sisiny.
Verato ny maso ary Tsory ho mora ny raharaha(SEE IT BIG, KEEP IT SIMPLY STUPID).
Njakalahy
***NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY***