Mandeha ity resaka amnesty ity dia lasa ny saiko:
Tsiranana: Tsak tsak zato arivo (Toa tsy nisy fanarahana)
Ratsiraka: "Tirer dans les jambes" (Iavoloha 1991) (Nahazo amnesty)
Zafy: Nendahin'ny antenimiera t@ resaka volamena
Ravalomanana: Jerevo ny youtube 7 Febroary rehetra rehetra
Andry Rajoelina: Jerevo ny youtube (Capsat sy FIS ary Gendarme sy ny Coup d'Etat
anakianan'izao tontolo izao azy)
Ka iza no tena mila Amnesty izany ao Madagasikara? Ho tonga amin'ny fandaminana
ve i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina?
Raha asiana ny fitsarana TSY MIANGATRA, dia ho samy tsy afaka milatsaka
hofidiana i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana fa aleo olona tsy nisy
fifandraisana t@ ireo mihitsy no mitantana ny tetezamita hidirana @ fifidianana
manaraka. Tsy mety izany fitondrana tetezamita nentin'olona nanao COUP D'ETAT
izany fa baikobaikon'ny miaramila loatra ka manjary mandringa ny rafitra
mampivelatra ny fandraisan'anjaran'ny isam-batan'olona amin'ny raharahampirenena
na antsoina hoe DEMOCRACY.
Atao mazava tsara ny resaka fa: na mahazo mody i Marc Ravalomanana dia asiana ny
fifidianana tsy miangatra, na rehefa tsy mahazo mody izy dia tsy mahazo
milatsaka ihany koa i Andry Rajoelina satria ireo roa ireo no tompon'ANTOKA
amin'ny kizo 3 taona izao. Tsy efa niteny koa moa ve i Andry hoe tsy hilatsaka?
Mila mifandamina any @ fitsarana tsy miangatra i Marc sy Andry raha tsy vitany
ny manao "settlement" ny raharaha ety ivelan'ny fitsarana.
Ohatran'ny lasa resak'olona 2 sisa ny raharaha ka ny 99.999% amin'ilay firenena
indray no lasa mihafihafy maka sisiny.
Verato ny maso ary Tsory ho mora ny raharaha(SEE IT BIG, KEEP IT SIMPLY STUPID).
Njakalahy
***NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY***