Miarahaba indray.
Thimotee, ka ilay TERY VAY MANTA nataon'ny miaramilan'i CAPSAT naka nan-keriny ny fahefana mihintsy anie no tsy mety e. Ahoana no fomba hanekena an'iny ? Ny fomba sy fanao tsy mety dia hialana fa tsy hiaretana.
Mba jereo anie ny manjo an'i Rajoelina ao amin'ny HAT e: ataon'ny AYATOLLAH sy ny MOLLAH saribakoly.
Ry Ahmadinejad mbola afaka milaza hoe: 'lany tamin'ny fifidianana izahay'.
Fa ny HAT dia sasatry ny manamarin-tena fa hoe: tsy mpanongam-panjakana.
Ka ilay fanjakana nisy teo aza niongana; koa inona indray izany no nitranga ?
Raha mba mijery ny fanapahan-kevitra politika noraisin'i Rajoelina aho dia izao no tsaoa sy hita: 'faux pas', 'arbitraire', improvisation/contradiction', 'absurditee' no hita. Toy ny fampihantonana (sa fandravana akory aza ?) ny Antenimieram-pirenena; sy ny famoahana gadra 'ciminel'...
Raha tsy tia an-dRavalomanana izy dia zony izany. Fa raha milaza izy hoe nitolona hanavotra ny tanindrazana dia tsy mitaratra izany ireo fanampahan-kevitra noraisiny ireo.
Ka dia mbola averiko ihany amin'Atoa RAJOELINA Andry hoe: AVERENO ILAY FAHEFANA NANGALARINA fa tsy hainao ny mampiasa izany. Raha tsy izany dia mbola ho voafatotry ny Ayatollah sy ny mollah ihany.
Raha tia tanindrazana sy tia fihavanana izy dia tsy manao izao fihetsika miziriziry izao. Ny fampihavanana azo hatao foana na amin'iza na amin'iza.
Izay ary fa mirary soa ny malagasy rehetra mba hahita fandriam-pahalemana sy ny rariny atsy ho atsy.
RAKOTONIAINA Tsiry Mandresy
(Madagascar Vision)