Salama,
Mba manana ny asa aman-draharahanay izahay, ka rahefa misy ny fotoana izay vao mamaky sy mamaly izay hafatra mandeha eto @ serasera. Ary tsy izay nofinofy sy provocation-n'ny sasany rehetra izao akory dia mendika ho valiana daholo.
Ka ny valin-teny voalohany aloha dia momba ny mpampiasa anay. Tsy hitanay mihitsy izay idiran'ny AME @ izay zavatra ataon'ny Faculty ivelan'ny fotoana iasany. Ankoatr'izany moa dia mitovy @ oniversite rehetra na am-panjakana na an'ny fiangonana ka manaja mandrakariva ny "academic freedom" i Allen University. I can say whatever I want to say, I can publish whatever I want to publish, and Allen University can't do anything about that!
Momba ny Frantsay manao ny fanamianan'ny Malagasy indray dia tsy nisy olona na dia iray aza nilaza teto fa dia fanamiana miaramila malagasy tokoa ireo nanaovan'ireo miaramila frantsy ireo. NY antony dia mitovitovy raha tsy hoe mitovy tanteraka ny fanamiana sasantsasany anaovan'ny miaramila malagasy ny miaramila frantsay, ary tsy atao ahagaga izany satria zana-tany frantsay i Madagasikara teo aloha, ka dia nandova zavatra maro t@ mpanjanaka. Ohatra iray fotsiny io hita @ sary eo ambany io, izay ahitana fa mitovy ny fanamian'ireo zandary roa, ny iray frantsay ny iray kosa malagasy.
Dia izany ve no handaniana anro ho resahana eto???
Momba ny rano amidy @ Arabo indray dia efa projet-dRa8 io. Raha hita fa ahitan'ny besinimaro tombosoa ve ny fivarotana rano, ka maninona raha amidy? Fa raha misy fiantraikany voaporofo eo @ tontolo iainana sy ny mponina io fivarotana io dia azo atao tsara ny manohitra azy.
Izay indray aloha,
Adrien Ratsimbaharison
![]() |
