Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
==================
" Mifalia ao amin'ny Tompo, tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa
mahatsara anareo izany." Filipiana 3:1
Fandaharana anio:
=============
1) Ilaina ny mihira sy midera an’Andriamanitra ary mifaly. Fil 3:1; Sal.147,
Sal.148, 149,150
2) Hiaraka hivavaka isika
mmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm
1) Fianam-piderana:
==============
Hafatra fohy no ambara aminao anio dia ny maha sitrapon'Andrdiamanitra
ny hananana fiainana misy hira fiderana sy fankalazana an'Andriamanitra.
Handeha amin'ny fiainana andavan'andro ianao ny alatsinainy ary mitohy talata
ary tsy mijanona indray raha tsy tonga ny faran'ny herinandro. Mandeha ianao
mitondra tomobilina, mitondra fanjakana, mitarika mpianatra, mpitaingina metro,
mitarika posy, manao sakafo, miresaka an-taroby, mandefa mailaka, mihaona
amin'ny olona am-polony...mihodikodina amin'ny lAlam-piainana. Tahaka ny olona
rehetra.
Ry havana, ao anatin'izany fiainana andavan'andro izany no hitaoman'ny mpahay
salamo anao hidera an'Andriamanitra amin'ny feo sy ny hira fankalazana satria
ankasitrahan'Andriamanitra izany.
Hoy ny salamo 147:1: "Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; eny mamy sady
mendrika ny fiderana...mihirA fiderana ho an'i Jehovah; mankalazA
an'Andriamanintsika amin'ny lokanga, izay manaron-drahona ny lanitra, izay
maboatra ranonorana ho amin'ny tany, izay mampaniry ahitra ny tendrimbohitra,
manome hanina ho an'ny biby Izy sy ho an'ny zana-goaika izay
mitaraina....mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; vokisany vary tsara
indrindra ianao."
"Haleloia. MiderA an'i Jehovah, ry any an-danitral miderA Azy any ambony. MiderA
Azy , ry anjeliny rehetra; miderA Azy, ry miaramilany rehetra. MiderA Azy, ry
masoandro amam-bolanal miderA Azy, ry kintana mazava rehetra. MiderA Azy, ry
lanitry ny lanitra. Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra. Aoka hidera ny anaran'i
Jehovah ireol fa Izy no nandidy, dia ary ireo." Salamo 148.
Hoy ny tononkira malaza raha teo am-piletehana ny kristiana vitsy tao amin'ny
TITANIC:"Momba anay ry Jesoa Tompo o, fa maizina ny lalanay aty, tsy misy vonjy
raha tsy aminao, Mpamonjy tia o, momba anay"
Hoy ny mpihira raha nahatsiaro fatratra ny haben'ny
fitahin'Andriamanitra:"Zanahary o, tahio ny tanindrazanay, handroso laladava,
handry fahizay, enga anie hanjaka ao ny saina fo mahay miray, dia ho tany
sambatra i Madagasikaranay."
Ho amminao anie ny Tompo!
mmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm
Koa toy izao no vavaka hasandratsika:
'Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra o eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, satria mitsara marina ny firenena Ianao,
ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao. Hidera Anao ny firenena,
Andriamanitra o, eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Ny tany efa nahavokatra.
Mitahy antsika Anddriamanitra, dia Andriamanitsika. Mitahy antsika
Andriamanitral ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra."Salammo 67
Dia mametraka veloma ho aminao amin'ny anaran'Ilay tia antsika ary mivavaka ho
anao hitoeran'ny fiadanan'i Kristy amin'ny fiainanao. Mahereza!
Mialy sy ny mpikarakara ny TF rehetra
_____________________________________________________________________________
Envoyez avec Yahoo! Mail. Une boite mail plus intelligente
http://mail.yahoo.fr