Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
+++++++++++++
" Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia
fidionareo anio ary izay ho tompoinareo, na ny andriamanitra ny Ony, na ny
andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin'iny tany onenanareo, fa raha
izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay." (Josoa 24:15
Fandaharana anio:
=============
1) 'Hianareo koa va mba te-hiala ?'(Jaona 6:67)
2) Hiaraka hivavaka isika
mmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm
1) "Ianareo koa va mba te hiala? (Jaona 6:67)
=======================
Tenin'i Jesoa Kristy tamin'Izy nanambara ny tenany tamin'ny mpianany ity
teny ity taorian'ny nialan'ny olona maro tsy hanaraka Azy intsony noho ny
hasarotry ny toriteniny sy ny fampianarany. Ianareo koa va mba te hiala hoy Izy
mantsy ny mpianany na koa hoe: 'ianareo koa ve tafintohina amin'ny teny
nolazaiko?' Inona ary ny teny sarotra nambaran'i Jesoa ka tsy zakan'ny sofina sy
ny "vavon'ny" olona maro nihaino Azy ka nampiverin-dAlana azy ireo tsy hanaraka
Azy intsony? Tsy inona fa hoy Jesoa:"Ny nofoko no tena fihinana ary ny rako no
tena fisotro. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko
ary Izaho kosa ao aminy." (Jaona 6:55,56) Hoy ihany koa Izy:"Izaho no mofo izay
midina avy any an-danitra" (Jaona 6:41)
Raha teo amin'ny finoana sy koltora jiosy dia zava-pady sy fahotana tokoa ny
fihinana rA na ny mikasika rA fotsiny aza indrindra fa ny ran'olombelona.
Fahavetavetana ihany koa ny filazana fa silak'Andriamanitra midina avy any
an-danitra i Jesoa ary mofon'Andriamanitra naidiny tety ho hanin'ny olona.
Eny, sarotra tamin'ny olona sy ny mpianatra tokoa ny nino ny fanambarana
nataon'i Jesoa mikasika ny tenany sy ny fihaviany, ny asany sy ny antony
nanirahin'Andriamanitra Azy tety an-tany. Sarotra satria FANAMBARANA
ARA-PANAHY no nataon'i Jesoa. Nilaza Jesoa fa Izy no mofon'aina mahavelona
mandrakizay ka izay mandray sy mihinana Azy dia tsy ho faty mandrakizay. Tsy
mba hevitra takarina ao an-tsaina na zavatra azo tsapain-tanana tahaka ny
ara-nofo ny nolazainy koa very hevitra izay nihaino ny tenin'i Jesoa tsy
nihevitra ny zava-panahy. Tsy maintsy amin'ny finoana ihany no azo hanekena ny
fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra sy ny mikasika ny finoana. Ny teny izay
nolazaiko taminareo dia "fanahy sy fiainana" (Jana 6:63) hoy Jesoa ary "tsy misy
mahay manatona Ahy raha tsy nomen'ny Ray azy izany" (Jaona 6:65).
Betsaka ny fampianarana mety mahatafintohina ny olona avy amin'ny baiboly raha
tsy mangataka mialoha amin'Andriamantira izy mba hitarika azy amin'ny fanarahana
ny Tompo ny teny izay ho vakiany. Ny lalam-pitiavana izay fototry ny finoana
kristiana dia mety hanafitohina ny hafa izay maniry ny hanao valifaty ohatra. Ny
fampianarana mikasika ny tsy tokony hijerena vehivavy amin'ny fitsiriritan'ny
nofo dia mety manafitohina ny olona izay mihevitra fa tsy manota satria ao
an-tsaina ihany. Mety hanafintohina ny olona koa ny lAlan'ny hazo fijaliana izay
lazain'i Jesoa fa TSY MAINTSY lalovan'ny mpanara-dia Azy rehetra sns....
Hoy Paoly:" fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy
misy kilema, fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny
filany ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny
anganongano. Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta
fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao" II Tim. 4:
4-5
Hoy Jesoa:"Ianareo koa va mba te hiala?" rehefa sarotra ny fanarahana Azy?
Hoy ny navalin'ny mpianatra Azy"Tompo o, hankany amin'iza moa izahay? Ianao no
manana ny tenin'ny fiainana." Jao. 7:68.
Ahoana kosa no havalinao Azy raha sarotra ny teniny?
Ianao koa ve mba te hiala raha sarotra aminao ny lAlana?
Vohay midanadana ny varavaran'ny fo amam-panahinao mba hidiran'i Jesoa ho
fiainanao na dia mety mbola ho betsaka aza ny fisalasalana mety manjo anao. Tsy
maintsy mitoetra ao aminy isika mba hitoerany ao anatinstika. Anjarantsika ny
mangataka ny Fanahy masina hampitombo ny finoantsika Azy sy ny faharetantsika ao
aminy mandrakizay. Raha azo antoka fa ho maro ny fandrika sy ny fitaka amin'ny
dian-tsika ety an-tany, aoka ho fampaherezana ho antsika ny tenin'ny Jesoa manao
hoe :'Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha
amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.' (Jaona 8:12).
Didy
mmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm\
mmmmmmmmmmm
2) Hiaraka hivavaka isika:
=========================
Tompo Jesoa o, efa niantso olona maro Ianao hanaraka anao ao anatin'ny mora sy
ny mafy eny fa na ny hitondra ny hazo fijalianao aza. Ampaherezao izahay mba
haharitra hatramin'ny farany na dia sarotra aza ny fahazoana ny teninao
indrindray ary na mafy aza ny manaraka ny didinao. Omba ny Fanahinao lalandava
hahazo hery hanaovana ny sitraponao ary mametraka ny malagasy manerana izao
tontolo izao izay misy tsy mahafantatra Anao ho Andriamanitra azo hianteherana
marina sy manome fiadanana. Mivavaka ho an'ire Malagasy maro any an-tanindrazana
izay misy tsy mbola naheno akory ny filazantsaranao. Arovy ny mpitondra ny Teny
Soa mahafaly any ambanivohitra be any ary sokafy ny fon'ny olona hahavokaran'ny
teninao. Amin'ny anaranao no ametrahanao izany vavaka izany. AMEN
mmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm\
mmmmmmmmmmmm
Dia memetraka velona finaritra ho anao eo ambany fitantanan'Andriamanitra.
Hoy Didy sy Mialy ary ny mpikarakara ny TF rehetra
_____________________________________________________________________________
Envoyez avec Yahoo! Mail. Une boite mail plus intelligente http://mail.yahoo.fr