From: Thierry Andriamirado <thierry.andriamirado@...>
To: serasera@...
Sent: Thursday, July 3, 2008 12:13:26 PM
Subject: Re: [serasera] Re: Tr: Vaovao mahafaly
Mamerina ny fiarabana antsika rehetra eto @ serasera, rehefa ela tsy
naharay vaovao satria nahaton'ny yahoo groups kay ny fandefasana mailaka
tamiko noho ny boite full ela loatra:
Le jeudi 03 juillet 2008 à 04:59 -0700, Mialy Rabe a écrit :
> Ny fanontaniako dia ny hoe VONONA tokoa ny handray izany amin'ny fo
> tsotra te handroso ve ny malagasy (fitondrana isan'ambaratonga, ny
> tsirairay??? ?) - satria na ho inona finiavan'ny manampahaizana
> enjiniera sy ny hafa...raha tsy raisin'ny any an-toerana dia rano
> raraka ihany...
Mitombona tokoa ny fanontanian' i Mialy, ary fantatro izao fa
fanontaniana anisan'ny -voalohany indrindra- tokony hapetra-tsika
amin'ny tenan-tsika ihany.
Ny hevitro manokana dia ny hoe, vonona tokoa ny 'maro' handray hevitra
tsara sy vaovao, na dia mety ho mavesatra any an-tsainy aza ilay hoe
"efa be ny wawawa teto e".
Zava-dehibe hoy aho io lazainao
io, satria dingana voalohany, misarika
ny saina ho any amin'ny fanontanian- tena manaraka, izay hoe: "inona ary
no tokony hataoko, haharesy lahatra".
Na dia manan-danja be loatra eto Madagasikara aza ny 'esprit
patriarcal', izay fintiniko amin'ny hoe "ianao no manam-pahaizana hono"
na koa "ianao no amin'io toerana io", "dia ianao izany no ray
aman-dreny: Miandry izahay", izany hoe toy ny tsy vonona ny hanao
zavatra sy handroso izany, dia misy tokoa ilay hoe "efa be ny wawawa
teto" satria efa ela dia ela ny Malagasy no naheno zavatra (ary nahita
sy niaina koa!).
Rehefa fantatra izany, dia ilaina aloha ny manontany tena, ary raha
afohezina dia fomba roa no afaka ampihantraina avy eo:
* Mandresy lahatra, amin'ny fomba 'mahazatra', ny isan'ambaratonga
tsirairay avy, tsy misy ambony tsy misy ambany. Toy ny eran-tany ihany
io, atao rehefa manolotra sy manazava tetik'asa vaovao ohatra.
*
"Démonstration par l'exemple", atao dingana voalohany. Indraindray,
raha afaka atao izany, dia tsara koa ny tonga dia miroso ary mampiseho
ny vokatra sy vokatsoa voalohany.
Afaka ampifamenoana ireo...
Classique hoy ianareo, ary marina izany. Ny hitako teto dia izay... tsy
ampy raha finiavan'olon- dray fotsiny, ka lasa 'sisika be'. Raha resy
lahatra ny olona dia ianao aza no mety ho gaga noho ny asa vitany
hampandroso zavatra, sy ny hevitra hoentiny hamenoana sy hanatsarana ny
hevitrao.
Azonareo fa izany no tsy mampiray saina ahy sy ireo izay milaza fa "tsy
miasa sy tsy te handroso ny Malagasy". ;-)
> Ary koa na dia faran'ny mahantra aza isika, anisan'ny maloto rivotra
> indrindra (pollution), anisan'ny be zaza maty indrindra, be harena
> voajanahary atahorana ho ringana indrindra, be tsy mahay mamaky teny
> sy manoratra, be mponina mpialona sy mpisompatra amin'ny fahasoavana
>
azon'ny hafa, ...moa ve mbola misy tokoa herimpo avy amin'ny
> manampahaizana ho sahy hiatrika ny riaka mandifotra mila hanenika ny
> fanantenan'ny firenena?
Mbola fanontaniana tsara ihany koa io ry Mialy! Ary mifameno amin'ny efa
voalaza tetsy ambony. Asa... ataoko fa an'ny tsirairay no manontany
tena.
> PS: eny mafy ihany ny milaza ny arina an-tava kanefa dia heno manimba
> zavatra loatra ny toetsaina toy ireny...koa angamba fotoanany ny
> hilazana izany?
Ataoko fa tsara 'foana' ny hilazana azy.
Mandram-panoratra indray,
--
News de T.Andriamirado : http://www.mybloglo g.com/buzz/ members/Raben515 0
Blog Linuxeries : http://linuxeries. blogspot. com
Toraka Bilaogy : http://torakabilaog y.blogspot. com