Ouvrir session
Nouveau venu ? Créez votre compte
serasera · Serasera Malagasy
? Déjà membre ? Ouvrir session

Astuces Yahoo! Groupes

Le saviez-vous...
Et si je montais le groupe de ma famille ? J'essaie !

Messages

  Messages Aide
Avancée
ARAHABA TRATRY NY PENTEKOSTA 2008 TF 632   Liste de messages  
Répondre | Transférer Message #29911 sur 34641 |
            Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika
                        ==================
" Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy
rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery
mifofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo
niseho taminy, izay nizarazaral ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona
izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny
fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy." Asan’ny
Aposotly 2:1-4
ARAHABA TRATRY NY PENTEKOSTA 2008! Andro faha dimampolo aoarian'ny Pasaka.
Matetika dia tsy ankalazain'ny kristiana mihoatra noho ny Krismasy sy ny Paska
ny Pentekosta kanefa ANDRO manana ny maha zava-dehibe azy indrindra tokoa eo
amin'ny fiainan'ny kristiana.
NY FANONTANIANA VOALOHANY DIA NY HOE MANANA NY FANAHY MASINA VE IANAO?
Ny Fanahy Masina dia fanomezana izay raisin'ny mino amin'ny batisa. Koa raha
natao batisa ianao tamin'ny mbola kely na rehefa ary saina dia nandray ny
fanomezana dia ny Fanahy Masina ianao. Raisina ao anatin'ny fibebahana izy.
"MIBEBAHA, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ianareo
rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ary ianareo handray ny fanomezana, dia
ny Fanahy Masina." Asa 2:38
Ny fanasanao an’i Jesoa hitoetra ao anatinao koa no hamponina ny fanahiny ao
aminao. Hoy ny soratra masina : "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho
tonga Zanak’Andriamanitra" Jaona 1:12
 
MBOLA MANANA NY FANAHY MASINA VE IANAO?
Na nahazo ny fanomezana aza Ianao kanefa nandroaka Azy sy naniratsira Azy dia
tsy mitoetra aminao intsony Izy. Mety miala Izy satria tsy mahay miray amin'ny
olona tsy mibebaka sy manohy mitoetra sy mankalaza ny nofo sy mihosy amin'ny
fiainam-pahotana Izy. Satria Fanahin'Andriamanitra Izy ka masina ary miaina
mihataka amin'ny fahotana. Rehefa manadino ny olona dia mampahatsiaro ny Fanahy
Masina "Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina,
Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra." IKorintiana 6:18
AHOANA NO AHAFANTARAKO FA MITOETRA AO AMIKO NA TSIA NY FANAHY MASINA ANIO?
Ny olona efa zatra niaraka niaina amin'ny Fanahy Masina nandritra ny
androm-piainany dia mahafantatra foana rehefa ao anaty Izy."...ianareo no
mahafantatra Azy, satria mitoetra ao aminareo Izy, ary ho ao anatinareo." Jaona
14 :17. Mampiseho ny vokatry ny Fanahy Masina izy amin'ny fiainany.
"Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po
fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po ;
tsy misy lalAna manohitra izany." Gal.5:22
Voalazan'ny soratra masina fa "Miharihary ny asan'ny nofo, dia izao:
fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody
ratsy, fandrafiana fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana,
fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy
izany." Galatiana 5:19
KOA ILAIN'NY MINO VE NY FANAHY MASINA?
Tsy afaka miasa velively sy manao ny sitrapon'Andriamanitra ny olona iray raha
tsy miaraka amin'ny Fanahy Masina ao anatin'ny fony sy ny feon'ny
fieritrretany.  Hoy ny soratra masina : " Fa aoka ho fenoina ny Fanahy"
Efesiana 5:18 Antsoy amin'ny fo mibebaka Izy mba hameno anao indray. "Fa ny
Fanahy Masina izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo
ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko
taminareo." Jaona 14:26 Ny Fanahy Masina no mampahery antsika, mampidina ny
fitiavana ato am-pontsika, ny Fanahy Masina no manome hery antsika hanasitrana
ny lavo sy ny tafitohina, ny Fanahy Masina no manorotoro ny fontsika hanetry
tena eo anatrehan’Andriamantira, ny Fanahy Masina no mitarika antsika
amin’ny marina rehetra, ny Fanahy Masina no mananatra antsika amin’ny
bitsika mangina ao am-po.
Ary raha izaho manokana indray no antontanianao; ny itiavako ny Fanahy Masina
indrindra dia Izy no FEON'NY FAHENDRENA.
Tao amin'ny andron'ny testamenta taloha dia Izy no antsoina ilay hoe Fanahin'ny
Fahendrena:" Ny Fahendrena miantso mafy eny ivelany; manandratra ny feony eny
an-kalalahana izy" Ohabolana 1:20
Be loatra ny mikitaontaona amin'izao fiainana izao ilAna fitarihan-dAlana sy
tolo-tsaina ary azoko antoka fa ny FANAHIN"NY FAHENDRENA irery no tena mahay
manoro lAlana amin'ny lAlana tsy mitondra amin'ny fivarinana an-kady.
Azonao antsoina ny Fanahy Masina izao dieny izao eto am-body oridnatera eto ary
aza mangataka andro!
Hiaraka hivavaka isika
================
Ry Fanahin'ny Masina Avo indrindra o, mamelA ny heloko rehetra, ny fahotan'ny
nofoko, ny fitsiriritan'ny masoko, ny tenay mangidy sy mandratra naloaky ny
vavako, ny fankahalana ato am-poko, ny lolompo navelako nisosoka tato anatiko,
ny ratsy nosakaizako...eto anoloanao ANdriamanitra velona no hanetrako tena
amin'ny fo torotoro hanavaozanao ny Fanahiko ary hanomezanao hery vaovao
hahafahako manompo Anao. Fanahin'Andriamanitra velona o, mitoera ato am-poko ary
aza miala ato ho Mpitarika Ahy mandrakizay. Amin'ny anaran'Ilay Jesoa Mpamonjy
ny aiko. Hankalazana mandrakizay anie ianao Andriamanitra sady Rany no Zanaka no
Fanahy Masina. AMENA.
mmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm
Dia mametraka veloma aminao indray ary mirary ny fitahin'Andriamanitra ho aminao
lalandava,
Hoy Mialy sy ny mpikarakara ny TF rehetra

__________________________________________________
Do You Yahoo!?
En finir avec le spam? Yahoo! Mail vous offre la meilleure protection possible
contre les messages non sollicités
http://mail.yahoo.fr Yahoo! Mail



Lundi 12. Mai 2008  12:51

teny_fiainana
Messenger Messenger
Envoyer un message Envoyer un message

Transférer Message #29911 sur 34641 |
Montrer le contenu des messages Auteur Date

            Miarahaba anao amin'ny anaran'Ilay tia antsika                    ...
Teny Fiainana
teny_fiainana
Messenger Envoyer un message
12. Mai 2008
12:51
Avancée

Copyright © 2009 Yahoo! France SAS – Tous droits réservés.
Mise à jour : données personnelles - Conditions d'utilisation - Charte - Signaler un abus - Aide